SATRIA EFA IRAY
Mamy Robinson
SATRIA EFA IRAY
SATRIA EFA IRAY
Ny andro anio : sarobidy amiko
Ny andro anio, tena androntsika roa
Tanteraka tokoa, ilay nofy hiara-droa
Hiara hamakivaky fiainana
Eny anio, horaisiko ny tànanao
Eny anio, hifanaiky izaho sy ianao
Fa na ho sarotra, na ho mora ny làlana
Hiara-droa satria EFA IRAY
Hanao ny fanekena, voadymasina, ho tia sy hanaja anao
Ianao ilay nekeko hiara-dàlana hodoria
--------------------------
Ho anao ity peratra ity,
Eny ho anao, porofom-pitia ho doria
Tsy mba hivadika
Naho lefy lanja fa
Hiara-droa satria EFA IRAY
Hanao ny fanekena, voady masina, ho tia sy hanaja anao
Ianao ilay nekeko hiara-dàlana hodoria
Tompo ô ! Raiso re voadinay
Tompo ô ! voady ny ho mandrakizay
Ka ny fitiavanao, fitiavana masina
No aoka hamatotra anay mandrakizay satria EFA IRAY (3)
Mamy ROBINSON (16 avril 2019)