SATRIA
ANTOKOM-PIHIRA FEO MAMY FJKM ANKADINDRAMAMY FAHAZAVANA
SATRIA
Raha mbola eto an-tany aho
Tsy maintsy midera ny anaranao
Raha mbola eto an-tany aho
Tsy maintsy lazaiko fa tsara Ianao
Satria Ianao Ianao ilay Ray
Maharitra mandrakizay
Tsy misy mahasolo Anao
Hatramin’izao
Raha mbola eto an-tany aho
Tsy maintsy midera ny anaranao
Raha mbola eto an-tany aho
Tsy maintsy lazaiko fa tsara Ianao
Satria Ianao Ianao ilay Ray
Nanaiky nisolo heloka ahy
Nandatsaka koa ny ainao
Matoa aho toy izao
Satria Ianao Ianao ilay Ray
Maharitra mandrakizay
Tsy misy mahasolo Anao
Hatramin’izao
Tsy misy mahasolo Anao …………… Isaorako Ianao
Hatramin’izao…..
Lalao RANDRIANARISON