Sasao aho hadio
Tanora Masina Itaosy
Sasao aho hadio
Ekeko fa meloka aho Raiko o
Nefa aza manary ahy Ianao
Mba jereo ny indrafonao tsy manavaka
Mba sasao aho hadio toa Anao
Na ho mafy na ho mora ny anjarako
Mino aho fa Ianao ilay Tsitoha
Tsy hanome izay tsy zaka tsy hanao lolom-po
Mba sasao aho hadio toa Anao
Fiverenana :
Ny teninao no tiako ho fiainako
Ny lalanao no tiako ho lalako
Ny fombanao no hizarako ry Tompo tia
Jeso Malala no fiainantsika izao
Izy koa no lalana sy fahamarinana
Jeso Malala nomena mba ho anao
Voatokana ho lalana hatrany am-parany
Fahiny ny ratsy tanatiko
Ankehitriny aho toa maivana ery
Satria foana avokoa ireo ady tety
Fa nisolo fanahy sy fitia
Dia fanahy sy fitia nomen’ny Ray
Hampijoro ahy mba ho zanany
Ka handray ireo asa nofinidiny
Fa voasasa madio aho izao
Fiverenana : Ny teninao no tiako ho fiainako …
A/C : SDN