Sarotra

KTLM Tsanta Fitoriana Ambohimena

Sarotra


Sarotra e ny lalana mizotra makany
Indrindra fa ho an’ ireo maka mamy ny tany
Ety dia ety tsy mora na koa migidana
Nefa tokana lalantery tsy maintsy ombana


Lakolosy izao fa maneno sy manakoako
Moa henonao fa mitaona sy mbola miantso
Miverena re ka modia modia @zay
Fa efa miandry anao ilay fonenana mandrakizay


Mamiko sy iriko ny ho tafaray
Tena satriko e ny iara-honina amin’ny Ray
Ny finoako anefa mbola zaza tsy mahasara-dreny
Mora reraka ka maniry mba hisy mpijery


·