Saropiaro

None

Saropiaro


Aza manahy raha hoe ny amiko
Efa anao ny foko manontolo
Fa ny zavatra tsy tantiko
Lazaiko anao
Tsy tiako ianao misarisarizoro
Tsy tiako ianao misangy amin’olo
Ny fihetsikao sy ny fiteninao
Mahasarotiny ahy


Tiako ho ahy irery ianao
Izay rehetra mombanao
Tsy hitambarako amin’ny hafa
Fa ana, ana
Na aiza na aiza misy anao
Dia mba tiako hisy ahy koa
Na inona na inona ataonao
Eo aho


Ref: Saropiaro fa aza tsiny e
Saropiaro aminao
Fitiavana no anton’iny
Saropiaro aminao
Tsy hoe tsy mahatoky anie aho
Raha mba saropiaro aminao
Tsy mahatsiaro tena tia aho
Raha tsy saropiaro aminao


Betsaka ny tsara fa ianao
No nahababo ny fo sy fanahy
Tsy mila hafa intsony ankoatranao
Ampy ahy ianao
Tsy lainga fa tena marina
Very anao za dia mivarina e
Tsy mahatokitoky ireo namanao
Fa maro loatra ny mpanadala anao


Tiako ho ahy irery…..


Ref:…


·