SAROBIDY LOATRA

Afif (Anjomara Fifohazana Andohatapenaka)

SAROBIDY LOATRA


Sarobidy loatra ny fitiavanao ry Ray
Tsy voavidy vola sady tsy voavalinay
Nahafoy ny ainy ‘lay Jesosy zanakao
Mba hamonjy izao tontolo izao


Famonjena tsy novidiana
Fa nomena anay maimaimpoana
Niaretanao ny hazo fijaliana
Mba ho fanavotana ho anay


Ka isaoranay ny anaranao
Ry Jesosy Tompo noho ny fitiavanao


Dera laza ho Anao
Ry Jesosy Tomponay
Fa izao tontolo izao
Heniky ny hasoavanao


·