Sarobidy
Antoko Mpihira Maintimolaly FLM 67Ha
Sarobidy
Sarobidy loatra Jesosy o
Ny famonjenao
Nitafy henatra ianao
Nisalorako ny voninahitrao
Najamban’ny ota aho
Rakotra aizina miavosa
Ny tontolo feno trosa
Avia ho hafahako ianao
Tsy sandaina amin’ny adidy
Famonjena sarobidy
Ho fikiriko ato am-poko
Jesosy o harenako Ianao
Sarobidy loatra Jesosy o
Ny fitiavanao
Ho deraiko hatrany ankoatra
F’Andriamanitro Ianao
Ho deraiko hatrany ankoatra
F’Andriamanitro Ianao