Sarobidy
Ny Mpitory
Sarobidy
Sarobidy loatra ny fanahy
Tsy hafoin’Andriamanitra ho very
Indro fa ny mpanota toa ahy
No navotany nefa tsy an-tery
Sarobidy amintsika ny aina
Tsy hatakalo fa mamy tokoa
Io ny antsika no tena lalaina
Kolokoloina hatrany ho soa
Nefa nahafoy ny ainy kosa (ny ainy kosa)
Jeso fitiavana ho antsika (Jeso fitiavana)
Avotra tsy mba vitan-kanosa (tsy vitan-kanosa)
No tsy efam-pitia mangatsiaka (sady saritsarim-pitia)
Ny aiko na lalaiko an’iza (moa an’iza)
Tsy ahy ny aiko fa an’i Jeso (zokiko)
Koa atolotro hamonjena sakaiza
Raha toa ka ilaina tokoa (ilaina tokoa)
Koa atolotro hamonjena sakaiza
Io no fitiavana tsy mba lo. (tsy mba lo)