SAOTRA SY DERA

Groupe NAINA

SAOTRA SY DERA


Saotra sy Dera
Asandratray
Tena ho Anao
Mpanjakanay


Tena faly izahay
Izay nirian’ny fo
No efa nomenao anay
Voninahitra ho Anao
Fa mitoetra aminay
Ny famindram-ponao


Famindram-ponao
No isaoranay
Ry Jehovah Ray,
Faly izahay
Misaotra Anao


Mankalaza izahay
Tsy mba diso anjara
Izay miantso Anao ry Ray
Voninahitra ho Anao
Fa mitoetra aminay ny fitiavanao
Fitiavanao
no isaoranay
Ry Jehovah Ray,
faly izahay
Misaotra Anao


Hisaotra an’I Jehovah lalandava aho
Ho eo am-bavako ny fiderana Azy
Miaraha-mankalaza an’I Jehovah amiko
Aoka hiara-manandratra ny Anarany


Misaora an’I Jehovah ry fanahiko
Isaorana ny Anarany Masina
Misaora an’I Jehovah ry fanahiko
Aza misy hadino ny fitahiany


·