sao henenenanao

Groupe sarobidy

sao henenenanao


                     Sao hanenenanao


Azafady e,
Azafady aminareo zalahy,fa misy resaka tianay ambara
Momba ity toe-tsaintsika ity fa toa mahamenatra
Manao mbay lalana aminareo zavavy ,fa raha mahafaty toy ka tsy maintsy ambara
Olo misaina ianao no atoro,ka sahia mijoro


Réf : koa ‘ndao izaho sy ianao hanova ity tany ity
Ka raha tonga ny andro farany dia ho tafita ho any an-danitra
Ary hanambatra ny hery,hampisaharana ny Ady
Ka hampisy filaminana ho ety ,mba hiadanana


1- Isika izay manantena sy miandrandra ny ety
Na mino fa hiova fiainana ho tsaratsara sy hafinaritra
Tsarovy fa mandala ity tany ity ,tsy aharitra fa ho levona
‘zao rehetra izao ho dorana ,hanjavona ny fiainana


Réf : koa ‘ndao izaho sy ianao hanova ity tany ity
Ka raha tonga ny andro farany dia ho tafita ho any an-danitra
Ary hanambatra ny hery,hampisaharana ny Ady
Ka hampisy filaminana ho ety ,mba hiadanana


 Koa ‘ndao aiza ianao eeee,faingana namako ooo

Fotoana izao eeee,sao hanenenanao

2- Ianao mihevitra fa ny harenanao no mahavonjy
Ka manao izao rehetra izao ,tsy mitsinjo ny fanahinao
Tsarovy anefa any andro iray ,mbola hanenenanao ‘zay ratsy atao
Ny fiainanao tsy ho azonao,koa dieny zao ahitsio ny dianao


 Koa ‘ndao aiza ianao eeee,faingana namako ooo

Fotoana izao eeee,sao hanenenanao x2

FEONKIRA


  Koa ‘ndao aiza ianao eeee,faingana namako ooo

Fotoana izao eeee,sao hanenenanao x2

A/C:HASINA NIAINA


·