Sangodim-panina

Bera

Sangodim-panina


Sangodim-panina


Saro-panina ny foko te hanidina
Sady antsoin’ny fiainana mba hanodidina
Tanimboly misy lobo lalin’ny fitia
Ao ireo voahirana ao an-dranomaria.


Roboka aho ka nilatsaka hioty
Tsy naharitra ny hira sy ny angoty
Kanjo indrisy ranomody no namery
Rendrika aho, resin’alona mahery.


Iza no hisintona ahy ?
Mba hiverina eny imorona
Ary hanome ho ahy
Elatry ny vorona


Hikopahako zara afaka amin’izay
Anatra ho ahy, ny andro fahizay
Sangodim-panina hatrany ny fitia
Aoka tsy ho revo intsony ankoatr’ity
Aoka tsy ho revo intsony ankoatr’ity


Auteur: Razakandraina Salomon Jean Verdi (Dox)
Compositeur: Ramambazafy Albert (Bera)


·