Samihafa

NV

Samihafa


Tontolom-pandrosoana feno fahalalana
Dimbin’ny omaly tsy hay azavaina
Eto no mitoetra
Eto no mijery
Rariny raha toa ka sendra very


Raha samy hafa ny hevitsika
Aoka mba tsy ifandrafesana


Raha sendrasendre mba diso maneke
Ny marina tsy atao ho anareo irery
Raha ny hevitry ny adala
No hita fa mahomby
Dia ny hambom-po ve no tsy hitondra soa


Raha samy hafa ny hevitsika
Aoka mba tsy ifandrafesana


Savasavao ho hita eo ihany
Ny ampitso hitondra hazavana


Na samy hafa aza ny hevitsika
Aoka mba tsy ifandrafesana


·