Samia mahery

FEO MIRINDRA

Samia mahery


…Ô samia mahery, ary mijoroa
Tsy ho ela hiseo Jesô…


Ny fanantenana no mameno fo
Mahareta na inona manjo
Teny fikasana efa azonao
Dia Jerosalema vaovao


Miraisa hina ho any an’andanitra
Mifampitantana zanak’Andriamanitra
Ô fikiro ny anarany
Mahareta hatramin’ny farany


Toeramparadisa ny ho vantaninay
Zay ilay fiainana mandrakizay
Koa manasa antsika, miantso anao anio
Ô faingana ianao ka mba valio


·