SAMBO LAY (Do)

Feon'ny fiderana

SAMBO LAY (Do)


Sambo kely ianao o!sambo lay
Mamakivaky ranomasim_be
Miaka_midina misosa indray
Ho tody ve amin’izay aleha
       O!ô!sarotra
       Sarotra ny lalana
       Tsy misy ady varotra
       Mandroso ihany no azo atao


Loza maro tsy ampoizina
No mety hiandry ao aloha ao
Moa ve handeha tsy voizina
Lazao e!izay ho tokinao
        O!ô! Iza re?
        Iza re no tokinao
        Vonona ho anao ilay Jesoa
        Mpiaro azo antoka


·