SAMBO FIARAN'I JEHOVAH

TAF (Talat ' Art Feo )xRIVOLALA

SAMBO FIARAN’I JEHOVAH


Miray hina
Miray saina
Mandàla fihavanana an


Tokana ny tanjonay
Dia ny Lanitra ho vantaninay
Mandalo tsy maharitra ny tany
Miserana mielina ihany


Ny firaisankina re no hery
Hoentina mandresy faha-valo
Mifanohana mifanampy pifampijery
Tsy mila tambiny tsy miandry izay, takalo


Fiv:
Fiainana ao anaty Sambo fiara
Milamina tsy misy ohatr’izany
Fiainana ao anaty Sambo fiara
Mirindra mira-zotra hatranihatrany
Oh oh oh oh
Fiainana ao anaty Sambo fiara
Eh eh eh eh
Milamina tsy misy ohatr’izany


Falifaly, tsikitsiky,no mameno ny androm-piainanay
Kalokalo,dihy mozika,no mandravaka ny dianay


Ny firaisankina re no hery
Hoentina mandresy faha-valo
Mifanohana mifanampy pifampijery
Tsy mila tambiny tsy miandry izay takalo


Fiv in-2
Fiainana ao anaty Sambo fiara
Milamina tsy misy ohatr’izany
Fiainana ao anaty Sambo fiara
Mirindra mira-zotra hatranihatrany
Oh oh oh oh oh
Fiainana ao anaty Sambo fiara
Eh eh eh eh
Mirindra mira-zotra hatranihatrany


Fiadanana eh
Fiadanana eh
Fiadanana eh
Fiadanana eh


Misosa moramora
Mandroso hatranihatrany
Tsy mihemotra raha sendra alon’drano
Na mamy na mangidy
Jesosy miahy miadidy
Voahantso ‘zahay mahatoky voasafidy eh


Mihetsiketsika ny fiangonanay
Mihetsiketsika ny fiangonanay
Mitotorebika milanonana
Mitotorebika milanonana


Fiv in-2
Fiainana ao anaty Sambo fiara
Milamina tsy misy ohatr’izany
Fiainana ao anaty Sambo fiara
Mirindra mira-zotra hatranihatrany
Oh oh oh oh
Milamina tsy misy ohatr’izany
Eh eh eh eh
Mirindra mira-zotra hatranihatrany


A/C : RIVOLALA 2024


·