SAMBO FIARA

G.A.C.K.D Tarika KAVARA

SAMBO FIARA


                         SAMBO FIARA


Hisamboaravoara be Ianao
Raha hidridroka ny Sambo handao
Dia hinoako ho toy izany koa ny hafa
Tsy tafahomana ka tsy lasa


Olombelona moa nofo sy rà
Ka hanontany tena hoe :Izy koa ve izaho ?
Tsy tarehy na bika ka handeha hifampitaha
F’ izay nafafy no jinjana eny antsaha


Ref Dia lasa,dia lasa
Lasa ny sambo
F ’ Ianao ,f’ianao
Nidiran’atambo


     Tsy ny fiara no tsy omby 

Na ny sarany tsy mitovy
Fa ny fo sy fanahy !
No hitsarana azy.

Izay mangina ihany koa moa volamena
Ny adala mampiseho tsy jerena
Ny fanarahana ny dia tsy terena
Ny hadalana efa vita fefena


Koa meteza ary Ianao ho fafana
Hihosotra diloilo mafana
Fiainam-baovao no haleha
Raha miverina ny Sambo …
Izaho …… HANDEHA!


  G.A.C.K.D Tarika KAVARA  

Auteur / Compositeur : HANDRINANTSOA Dieudonné Victorien
Tel : 034 11 141 75 / 033 11 141 75 / 032 11 141 75

·