SAMBATRA ‘ZAY VOAVELA HELOKA (Fa)

APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga)

SAMBATRA ‘ZAY VOAVELA HELOKA (Fa)


Sambatra e! Sambatra loatra
‘Zay afa-pahotana sy voavela heloka
Sambatra e! Sambatra loatra
Izay tsy tanan’ny Tompo heloka (Salamo 32, 1-2)



  1. Andriamanitra ô ! Mamindrà fo amiko
    Vonoy ny hadisoako fa Mpamindra fo Ianao
    Sasao tanteraka aho amin’ny heloka rehetra vitako
    Dia ampahafantaro ahy ato anatiko ny Fahendrena
    Andriamanitra ô ! Andriamanitra ô !
    Mamindrà fo amiko, araka ny fiantranao
    Vonoy ny heloka vitako, noho ny Haben’ny Famindram-ponao
    Sasao tanteraka aho amin’ny heloka vitako
    Fa miaiky ny hadisoako aho eto anatrehanao
    Taminao irery ihany no nanotako
    Nanao ‘zay ratsy teo imasonao aho
    Teraka tanaty heloka aho
    I Neny koa notorontoronina tao anaty fahotana (Salamo 51, 3-8)


Sambatra e! Sambatra loatra
‘Zay afa-pahotana sy voavela heloka
Sambatra e! Sambatra loatra
Izay tsy tanan’ny Tompo heloka (Salamo 32, 1-2)



  1. Diovy amin’ny Hisopa aho dia hadio
    Sasao aho dia ho fotsy noho ny oram-panala
    Ampandreneso fifaliana aho, amim-piravoravoana
    Dia hifaly ny taolana ‘zay efa novakivakianao
    Afeno ny tavanao ny fahotako
    Ary vonoy avokoa ny heloko
    Ry Andriamanitra ô ! Amorony fo madio aho
    Ary fanahy mihenjana no havaozy ato anatiko
    Aza ariana lavitra ny tavanao aho
    Aza esorinao amiko ny Fanahinao Masina
    Ampodio fifaliana amin’ny Famonjenao aho
    Tohano aho mba hanana fo mazoto (Salamo 51, 9-14)


·