Sambatra izay voavela heloka

AFAFI Taninanandrano

Sambatra izay voavela heloka


Tsy haiko intsony ny hanambara
ny fitiavanao ahy ry Jesoa
Fahaverezana no anjara
sahaza ho ahy zanakao
Nefa tsy mba narehitrao ny fahatezeranao
nodiovinao toy ny oram-panala ireo otako


Moa tsy efa niantso ny anaranao va Aho, hoy Ianao
K’aza mba matahotra na mierikerika foana Ianao
Fa Izaho no Andriamanitrao
‘Zay mitantana anao amin’ny tànana ankavanako


Sambatra ‘zay olona voavela heloka
ary voasarona ny fahotany
Sambatra izay tsy isain’i Jehovah heloka
ary tsy misy fitaka ny Fanahiny


Mba henoy kely ange ry foko
‘zato feo mibitsika anao
Mitaraina sy mitoloko
fa te hiditra ao aminao
Ianao mihitsy no Iriny
ho sakaiza Itokiany
Sambatra indrindra ianao
raha mba tsarovan’Ilay Tomponao


·