Sambatra ianao

Fanja Andriamanantena

Sambatra ianao


Sambatra ianao
f’izay fitiavanao tao
Natolotrao azy manontolo
Izaho ilay nanantena
Hotiavina indray
Toa diso paika fa tsy nahay
Niandry foana ka mangahiahy


Sambatra ianao
Nahita soloko vaovao
Adinonao, adinonao daholo
Ny fihavanantsika nisy taloha
Firaisan-tsaina firaisam-po
Nireharehavantsika tokoa


Sambatra ianao, sambatra ianareo
Fa mahay mampiara-peo,
Vetivety teo dia teo.
F’izaho indray ilay tsy mahay
Mitia afatsy anakiray
Ianao dia ianao mandrakizay


Sambatra ianao
f’izay fitiavanao tao
Natolotrao azy manontolo
Izaho ilay nanantena
Hotiavina indray
Toa diso paika fa tsy nahay
Niandry foana ka mangahiahy


Sambatra ianao
Nahita soloko vaovao
Adinonao, adinonao daholo
Ny fihavanantsika nisy taloha
Firaisan-tsaina firaisam-po
Nireharehavantsika tokoa


Sambatra ianao, sambatra ianareo
Fa mahay mampiara-peo,
Vetivety teo dia teo.
F’izaho indray ilay tsy mahay
Mitia afatsy anakiray
Ianao dia ianao mandrakizay


Sambatra ianao, sambatra ianareo
Fa mahay mampiara-peo,
Vetivety teo dia teo.


·