Sambatra aho

Ndriana Ramamonjy

Sambatra aho


Sambatra aho fa manana Anao
Aroko , tokiko , fiarovana ho ahy
Na handao ahy aza izao rehetra izao
Ampy ahy Ianao lay tsy mba mandao


Na maloko aza ny androko ety
Ny masoandro mbola ery
Mandroaka ny aizina , mampifaly fo , mampihira hoe :
Hidera anao aho Jehovah oo
Sy hankalaza ny anaranao
Sady hiraketan’ny foko Ianao
Ka mamonjy ahy amin-javatra manjo


Sambatra aho fa manana anao
Aroko , tokiko , fialofana ho ahy
Na handao ahy aza izao rehetra izao
Ampy ahy Ianao ilay tsy mba mandao


Jesoa no masoandro
Tonga hanazava , Izy no antony ahavelomako hidera Azy aho
Na ho sarotra ny diako , Izy ihany no itokiako
Tsy ho sasatra aho mamerimberina hoe :


Sambatra aho fa manana Anao
Ampy ahy Ianao lay tsy mba mandao


·