SAMBATRA AHO

STK FJKM Ambatomena Antananarivo

SAMBATRA AHO


Tsy mba vola na ny harena eto an-tany
No ilaiko sy katsahiko hatrany (fa satria)
Vetivety dia ho fongana sy lany
Tsy izany fa ny lanitra ihany


Sambatra aho nahazo toky avy Aminao
Dia lay Paradisa ho lovako
(Paradisa ho lovako)
Ho fonenako raha miala ety Jeso
Inty aho ho Anao mandrakizay


Fa ny toky dia tsy maintsy ho tafita
Na dia betsaka aza ireo ota efa vita
(nefa mino aho)
Fa voavela ka hisolo famonjena
Tsy voavidy vola be amin-karena


Sambatra aho nahazo toky avy Aminao
Dia lay Paradisa ho lovako
(Paradisa ho lovako)
Ho fonenako raha miala ety Jeso
Inty aho ho Anao mandrakizay


Tsy mba misy izay azoko atao izao
Hamaliana ireo soa vitanao
(ka ny saotra)
Fiderana no atolotra Anao Jeso
Ho Anao, ho Anao Mpamonjy รด


Sambatra aho nahazo toky avy Aminao
Dia lay Paradisa ho lovako
(Paradisa ho lovako)
Ho fonenako raha miala ety Jeso
Inty aho ho Anao mandrakizay


·