Salegy

Ny Voninavoko

Salegy


Ny hirantsika eh
Tsy ho lany
Fa ny mozika eh
No harindra hanaraka izany ah


Eh lahy eh
No harindra hanaraka izany ah
(×3)


Haody ka voahy eh
Handroso ve ‘zahay
Misy resaka haroso raha mba sitrakao ah (eeh)


Hadino ve ry lahy eh
Irony fampitaha
Ny totorebika fahiny no hasondrotra ao ah


Ilaina ny hahaizana azy
Na ny Rock na ny Jazz
Kanefa izao no tadidio
Ny antsika tsy ambanin’io


Marodona ny tcha tcha tcha
Manidina ny dihy Sega
Ny vahiny kosa dia someby
Mahita antsika manao Salegy eh


Salegy ho aho ry lahy eh
Salegy ho aho ry lahy
Avy any hanindrana Atsinanana ka jereo anie (eeh)


Salegy tsy mba izay eh
Fa mahate hizaha
Na ny any Avaratra avy fa efa rodobe ah


Fa tsara ny Madison
Akany koa ny Bollero
Kanefa ny Saleginay
Dia tsotra fa mafanafana


Disque mahazo bis
Moderne ny Lebtis
Kanefa ireo tsy mbola tsara noho ilay Salegin’i Gasikara


Salegy ho aho ry lahy eh
Salegy ho aho ry lahy
Avy any hanindrana Atsinanana ka jereo anie (eeh)


Salegy tsy mba izay eh
Fa mahate hizaha
Na ny any Avaratra avy fa efa rodobe ah


Eh tsara Ronazy eh (×6)
Alaiko ity ny hety eh Tsara Ronazy eh
Eh tsara Ronazy eh
Alaiko ity ny hety eh Tsara Ronazy eh
Eh tsara Ronazy eh


Haody ka voahy eh
Handroso ve ‘zahay
Misy resaka haroso raha mba sitrakao ah (eeh)


Zaza mitomany eh (eeh)
Zaza mitomany eh (eeh)
Zaza mitomany eh
Zaza mitomany eh
Wawa
Mangina zaza
Mangina zaza
Iny papanao
Iny neninao


·