Salamo 150

None

Salamo 150


Ô midèrà an’Andriamanitsika

Eo amin’ny fitoerany Masina

Fa mendrika ho deraina anie Jehovah

Eo amin’ny abakabakin’ny heriny


Aleloia aaaa

Hosana aaaa

Aleloia aaa

Midèrà an’Andriamanitra


Derao Izy amin’ny asany

Araka ny haben’ny Voninahiny

Derao Izy amin’ny gitara

Arahiny valiha sy lokanga


Aleloia aaaa

Hosana aaaa

Aleloia aaa

Midèrà an’Andriamanitra


Ô midèrà an’Andriamanitsika

Eo amin’ny Mpanjaka Mpanafaka


Eo amin’ny Mpanjaka Mpanafaka

Derao amin’ny aponga tapaka

Arahiny lamako sy tehaka


Aleloia aaa

Hosana aaa

Aleloia aaa

Midèrà an’Andriamanitra


Derao Izy fa soa sy tsara a

Derao amin’ny sodina sy gitara a

Derao Izy amin’ny kipatsona

Maneno tsara feo fantsona a


Aleloia aaa

Hosana aaaa

Aleloia aaa

Midèrà an’Andriamanitra


Aoka izay rehetra manam-pofonaina

Samy hidera hidera an’i Jehovah aa (soaaa)

Lehibe tokoa tsy manam-paharoa

Ny heriny sy ny asan’i Jehovah aa (tsaraeee) *2


·