Salama

Groupe NAINA

Salama


Salama e, Salama a!
Manahoana daholo ianareo tompoko ô
Akory lahaly salama leiroa
Akôry aby ianareo tongasoa e
Fiadanan’ny Tompo ho amintsika rahalahy a


Dia inona hono ny vaovao e?
Fahasoavan’ny Tompo e!
Inona tsara?
Ny famindram-po
Ny famelan-keloka
Homen’ny Tompo isan’andro isan’andro
Izay no tena marina


Tsara ny andro baliaka masoandro
Taratry ny hazavana an-danitra e
Tsara ny andro fa manome hery be dia be
Fitahin’Andriamanitra e
Tsara ny andro, mamirapiratra ny lanitra
Tsara ny andro, ie ie
Tsara ny andro, manjelanjelatra
Ny habakabaka e
Tsara ny andro, Haleloia!


Ô ry reto a, tena tsara anie ity
Midera an’Andriamanitra ity e
Mino aho fa mitovy hevitra amiko ianareo
Sa tsy izany e? Izany mihintsy e!


Velombelona ny ainao
Rehefa mifoha maraina vao
Mahatsiarotsiaro finaritra
Sambatsambatra ny fo
Amam-panahy
Mahazo hery sy famonjena
Hanavaozana ny fanoloran-tena
Mandihindihy feno fiderana
Voaroaka ny ratsy fa tsy tamana


Dia tapatapaho isan’andro
Ny asan’ny satana e
Amin’ny anaran’I Jesoa
Miala, Miala, Miala!


Izao indray ary a,
Hanao teny mifamaly isika
Izay teneniko a, dia averinareo
Vonona aloha sa tsy vonona e?
Ndao ary e:
Rehefa mahita ireo namana ianao
Jereo izy ka arahabao
Hevero izay tokony havaly
Fa aza atao hoe tsy misy vaovao
Ny fahasoavan’ny Tompo
No teny filamatra atoroko anao
Famindram-pon’I Jesoy
No anton’izao ka zarazarao e
Tsar any Tompo rey olona
Tena tsara dia tsara tokoa
Tsara ny Tompo
Isan’andro isan’andro
Isan’andro isan’andro
Tsara ny Tompo e


Salama e! Salama a!


·