Saintsaino

Antokom-pihira Vetson'i Siona

Saintsaino


I. Saintsaino sy diniho hoe tsy hisy intsony ny ady
Eritrereto hoe ho foana ny fifandrafesana
Raha misinda, miravona ny olana mianjady
Ka hiakan’aravoana no ifandrenesana


Tsy hisy intsony ny hoe jaly
Tsy ho re intsony izay tomany
Dia havitrika isika handroso
Ary hitempo ny fo falifaly


Ref. Tsy hoe nofinofy na hoe rediredy
Na koa adalana mampisomebiseby
Fa fanantenana manainga hampitraka
Arahim-bavaka hatrany tsy hampiambakavaka


II. Tombano hoe very hanjavona raherisetra
Vinavinao hoe tsy misy rafitsitokotokoana
Raha hevitra iray no iraisan’ny rehetra
Ka hira fiderana no ifampilantoana


Tsy hisy intsony ny mosary
Tsy hisy ny ambony sy ny ambany
Ny fitiavam-bavaka hivoatra hatrany
Ary hitempo ny fo falifaly


III. Hevero hoe tsy eo intsony izany disadisa
Fakafakao hoe ho rava avokoa ny fifamaliana
Raha toe-tsaina madio no ho enti-mamisavisa
Ka ny alahelo sy ny toloko, hisolo hafaliana


Tsy hisy intsony ny hirifiry
Tsy ho tsapa intsony ny hoe marary
Dia handry fahalemana ny tany
Ary hitempo ny fo falifaly


© Vetson’i Siona 2020


·