Safidy

Feo Fi APU Am

Safidy


1.Tsara loatra raha isika izao
no ho tafiaraka any an-danitra
Hiara-hidera ny Mpanavotra,
ilay Tompo Andriamanitra
Tsy mba tianao ve any am-paradisa,
hiray latabatra amin’ny Tompo Jesoa
Ka ho foana hatreo ireo toloko sy tomany,
hifaly, hiravo ao an-dapa soa


Réf: Tsy an-tery anefa izany fa safidy,
Anjaranao ny misafidy
Raha toa hamoa ianao na hanidy
F’injao ny Tompo mandondona ao am-ponao
Miantso ho ao am-balany
Tsy sasatra miandry satria ianao dia TIANY



  1. Tsy ho fantatrao ny andro sisa
    mba hanefena fo ho mendrika
    Izay hany hamonjena anao
    Miambena sao lahy ho rendrika
    Ka homano izao dieny ety ’lay any ankoatra feno hasambarana
    Sao dia lasan-davitra any izato dia ,
    ka tsy hahita fitsaharana


·