Safidy

SLKAT

Safidy


SAFIDY - (SLKAT)


Raha nandinika ny fiainako taloha aho
ampitahaiko amin’ny ankehitriny
dia samy hafa betsaka
ny taloha dia nandreraka


nataoko avoko ireo fomba fanao
ny fomban’izao tontolo izao
raha tanisaina dia nataoko daholo
ny nandika ireo didy folo


Efa nivavabavaka ihany aho satria
izany moa no fomba fanao
natao ny nentin-drazana
dia avy eo indray nivavaka


Tsy fantatro akory fa lasa ny olona
dia lasa koa aho nandeha
hay raha toizana toizana ilay lalana
mankany amin’ny afobe


Amboary aho, Jeso
ka mamela ny heloko ianao
amboary aho, Jeso
amboary ny fiainako
amboary aho, Jeso
rakofy ilay Fanahy masinao hatrany
amboary aho, Jeso
mba ho toy ny fiainanao ny fiainako
efa tsy nahasoa ahy
ny rehak’izao tontolo izao
tsy nahitako fahasambarana e
ka tapa-kevitra aho ho anao
izay kely ananako
no entiko hanara-dia
efa lalana nandratra ahy
izao tontolo izao
tantano aho, Jeso Kristy


Fanjakana ara-nofo ety an-tany
manao izao fombafomba rehetra izao
miloka, migoka, mifoka
mankafy ny haren’ny tany


Fanjakan’ny fanahy ery an-kilany
mamiratra fatratra ery
mitovy avokoa tsy misy tombo hala
io ilay tany Kanana


Misy hady manasaraka anefa
ireo fanjakana roa ireo
misafidy ianao raha te hiampita
ny tetezana tsy maintsy vita


ny tetezana ilaina anefa tsy misy
fa ilay tenanao ihany
meteza aloha hibaboka ny ota, hadalana
dia ho tafita ianao


Amboary aho, Jeso
ka mamela ny heloko ianao
amboary aho, Jeso
amboary ny fiainako
amboary aho, Jeso
rakofy ilay Fanahy masinao hatrany
amboary aho, Jeso
mba ho toy ny fiainanao ny fiainako
efa tsy nahasoa ahy
ny rehak’izao tontolo izao
tsy nahitako fahasambarana e
ka tapa-kevitra aho ho anao
izay kely ananako
no entiko hanara-dia
efa lalana nandratra ahy
izao tontolo izao
tantano aho, Jeso Kristy


efa tsy nahasoa ahy
ny rehak’izao tontolo izao
tsy nahitako fahasambarana e
ka tapa-kevitra aho ho anao
izay kely ananako
no entiko hanara-dia
efa lalana nandratra ahy
izao tontolo izao
tantano aho, Jeso Kristy


efa lalana nandratra ahy
izao tontolo izao
tantano aho, Jeso Kristy


efa lalana nandratra ahy
izao tontolo izao
tantano aho, Jeso Kristy


·