SAFIDY
Antoko Mpihira Taratry ny mazava
SAFIDY
Misy ny olona manjeninjeny foana
Tsy fantany ny eto anie ka zava-poana
Misy ireo izay milaza fa hoe
Tsy misy izany afobe
Misy ireo sahy maniratsira anao
Ny Tompo anie mahita izao rehetra izao
Misy milaza fa ialao ny vavaka
Dia lasa ianao mihataka
Réf.1:
Fa raha milaza aminao aho
Tsy misy Andriamanitra
Mety mamy aminao na mangidy
F’ianao no misafidy
Réf2:
Dia mba lazao ireo namana
Fa ny Andriamanitra dia tena misy marina
Safidy tsara atolotro anao
Ny Baiboly mba vakio fa ny tsara ho azonao
- Misy ihany koa mandeha ao am-piangonana
Ataony fa fandehanana mitsangatsangana
Lazain’ny sasany, ny hivavahanay ka
Mba manao ny fanaon’ny olona.
Réf.1:
Fa raha milaza aminao aho
Tsy misy Andriamanitra
Mety mamy aminao na mangidy
F’ianao no misafidy
Réf2:
Dia mba lazao ireo namana
Fa ny Andriamanitra dia tena misy marina
Safidy tsara atolotro anao
Ny Baiboly mba vakio fa ny tsara ho azonao