Ry Vorona irony

Fangia Kalo Gasy

Ry Vorona irony


Eny e ! ô ry voro-manidina irony
Hikopaka ianao ka hilefa, hidify any an-davi-tsy ho tazako intsony e !
Mba manina anie aho fa tsy afa-mankaiza
Te hitsinjo ny akany fonenan’i Dada sy Neny nitaiza


Inty re ny hafatro ento mankany ravorona ô
Tsy sasatra anie aho mahatsiahy foana ny any ravorona ô
Dia lazalazao koa ry zoky sy zandry ravorona ô
Ry Ikaky sy Neny isanandro miandry ravorona ô
F’izaho na tsy tazany lavitra aty tena tsy manadino
Ry vorona iry e ! ‘Ty hafatro re mba vimbino


Inty re ny hafatro ento mankany ravorona ô
Tsy sasatra anie aho mahatsiahy foana ny any ravorona ô
F’izaho na tsy tazany lavitra aty tena tsy manadino
Ry vorona iry e ! ‘Ty hafatro re mba vimbino


Eny e ! ô ry voro-manidina irony…


A/C: Ny R. Fidimanantsoa


·