Ry velona

CFF (Chorale Foibe FPVM Taninanandrano)

Ry velona


Ry velona an-tany ô
Mba mifankatiava e
Fa ny fiainana an-tany anie
Dia mandalo miserana e
Na ny manana na ny ory
Dia tsimaintsy mbola hody
Mielina ihany raha ny fiainana an-tany


Koa andeha hifamela (hifankatia)
Andeha hifamela (ry velona)
Hifamela raha mbola ety
Dia voavela raha mby ary
Zay mamela no ho voavela
Ao andapa volamena
F’Izay tsy mamela dia tsimaintsy ho tavela


(O ry lahy e), Ndao hifankatia hatrany
O ry velona eto an-tany
Koa raha ho samy ho faty ihany
Handova lanitra ianao
Fa sambatra ianao raha madio am-po
Hahita ny Tompo tokoa
Hifanatry tava amin’i Jesosy
‘Lay mpanjaka , izy no hitsena anao


Ry velona an-tany ô
mba mifankatiava e
Fa ny fiainana an-tany anie
Dia mandalo miserana e
Na ny manana na ny ory
Dia tsimaintsy mbola hody
Mielina ihany raha ny fiainana an-tany


·