RY TSY MAHAFOY

TSIARO

RY TSY MAHAFOY


Tsy mety voafafa ao an-tsaina
Tsy hay kosehina ao am-poko ao
Ianao ‘lay nijaly sy nitaraina
Nanavotra ny momba ahy


Nafoinao hatramin’ny aina
Nefa moa mba inona ny otanao ?
Izahay no mendrika disaina, tsy nanoa izay nolazaina
Zaza fanahy


Fa na dia teo aza izany rehetra izany, Indrisy
Moa nihahendry va izahay?
Toa vo mainka indray namantsika Anao fanindroa
Ny mampihetsi-po dia Ianao nitomany, nefa mitsiky
Mbola miantso ahy indray
Namindranao fo ‘reny toetra ratsiko taloha


Ref. : Ry tsy mahafoy anay, Menatra izahay
Koa ireny ditranay
Hatreo…
Ry tsy mahafoy anay, Menatra izahay
Koa ireny ditra maro izay namatotra anay
Hatreo !


Asa re mba inona no ho avaliko Anao ?
Ry tsy mahafoy anay ?
Tsapa tsy voavidy hoatrinona raha ny famonjenao
Ou hou hou
Ny hany ananako dia ity foko kely feno fery
He mba raiso anjakao hiezaka aho tsy hahafoy Anao, tsy hahafoy Anao


Ref. (Chœur+Sax)
Ref.


Tsy mety voafafa ao an-tsaina
Ianao ‘lay nijaly sy nitaraina
Indro aho mba ho Anao tsy hay ovaina
Ry tsy mahafoy anay…


·