Ry Tompo o, Mpamonjiko malala
KTLM Amboniavaratra Betafo
Ry Tompo o, Mpamonjiko malala
Ry Tompo o, Mpamonjiko malala
Endrey ny fitiavanao
Iriko mafy koa ny hahalala
Hanompo sy hiasa ho anao
Moa inona no zavatra nataoko
Hamonjy ireo mpanota namako
Angamba mbola hisy ny fotoana
Mba hanompoako anao Jeso
Ny andro sy fotoana efa lasa
Dia be no very foana e
Fa vitsy no mba azoko nomena
Sy lany nanompoako anao Jeso
Moa inona no zavatra nataoko…
Ny tenako rehetra fo fanahy
Ry Tompo o omeko anao
Hijoro ary koa ho tena sahy
Sy hanambara ny fitiavanao
Moa inona no zavatra nataoko…