RY TOMPO Ô
SERAFIMA AMBOHIBAO TOBY
RY TOMPO Ô
Ry Tompo ô indreto izahay
Midera ny anaranao mahery
Fa lehibe ny voninahitrao
Jesosy ô inty ’lay zanakao
Ry Tompo ô ny fitiavanao mahery
No mampiova ny mangidy ho tantely
Miandry anao hitondra fiadanana
Sy hanome ’lay tena fiainana
FAMERENANA
Ô tahio ity olonao
Ka ny fo sy saina hazavao
Ny alahelo mikombona ao am-po
Diovinao hiadanany tokoa