Ry olona ô

KTLM Tsanta Fitoriana Ambohimena

Ry olona ô


Ry olona ô (2) andao (2) f’aza sondriana
Fa hatomotra ny andronao
Ho avy faingana ny Tompo
Hijinja izay nafafinao


Ampahafantaro ireo tsy mahalala
Fa ndrao adinina aminao ny rany
koa dieny izao ataovy izany
F’izany no tian’ny Tompo aminao


Afoizo hatro ny ratsy izay fanaonao
Ario koa ny fanompoan-tsampy
Fafao ny ranomaso sy alahelo am-po
Dia ho voavonjy ianao


Ny fiainana any ankohatra dia maharitra
Fahasambarana sy fiadanana
Fiderana maharitra mandrakizay
Ataon’ny olom-boavonjy


·