RY OLO-MANDALO

NY MAHEFA

RY OLO-MANDALO


Ry olo-mandalo, ataovy ao an-tsaina
Raiketo ho tadidy, soraty raha ilaina
Tsy maintsy hikorontana anie itony tany
Fa aloka ianao ka hiserana ihany


Tohino ny saina raha mila ho variana
Anivon’ny toerana fivahiniana
Loko natetina ireny raondriana
Matetika aloky ny fahoriana


Ry olo-mandalo, ataovy ao an-tsaina
Raiketo ho tadidy, soraty raha ilaina
Tsy maintsy hikorontana anie itony tany
Fa aloka ianao ka hiserana ihany


Tohino ny saina raha mila ho variana
Anivon’ny toerana fivahiniana
Loko natetina ireny raondriana
Matetika aloky ny fahoriana


Koa raha tsy haharitra fa hiserana ihany
Mahaiza mandala fa mendrika izany


Koa raha tsy haharitra fa hiserana ihany
Mahaiza mandala fa me! ..endrika izany


·