RY MPONINA AN-TANY

STK FJKM Ambatomena Antananarivo

RY MPONINA AN-TANY


Ry mponina an-tany, tonga ny androany
Ilay Mesia ka Avia mifalia
Toy ireo Anjely
Samia re mampiely
Mpamonjy tia no ateraka aty


Ny famonjena zaraina
omena an’ny firenena manomboka anio
Fa Jesoa Zaza Mpanjaka malaza
no tonga hizaraio vonjy io


Ry mponina an-tany, tonga ny androany
Ilay Mesia ka Avia mifalia
Toy ireo Anjely
Samia re mampiely
Mpamonjy tia no ateraka aty


Kanefa jereo ity fahantrany
Nanaiky ho ambany
Ny lanitra ambony dia efa nafoiny
Fa satrin’ny fony ny hankaty
Handray anao


Ry mponina an-tany, tonga ny androany
Ilay Mesia ka Avia mifalia
Toy ireo Anjely
Samia re mampiely
Mpamonjy tia no ateraka aty


Andeha isika ho any Jodia
Andeha hamonjy Ilay Tompo tia
Samia mitondra ny fanati-pisaorana
Ho an’Ilay Tompom-piadanana
Ny fo sy ny fanahy omeo Azy koa
Fa io re no fanomezana tena tiany tokoa
Miankohofa eo anatrehany izao
Ho fanajana ny Mpamonjinao
Aoka ny tany mbamin’ny lanitra
Hihoby an’Andriamanitra


Ry mponina an-tany, tonga ny androany
Ilay Mesia ka Avia mifalia
Toy ireo Anjely
Samia re mampiely
Mpamonjy tia no ateraka aty


·