Ry mpianatry ny Tompo
VLM Ampitankely
Ry mpianatry ny Tompo
Ry mpianatry ny Tompo
Ô, mahaiza mifanompo
Mahereza, mijoroa
Fa momba anao ny Tsitoha.
Tanteraho ny fanompoana
Aza midonanam-poana
Mazotoa f’aza malaina
Izay no ataovy ao an-tsaina.
Marobe ny asa miandry
Mila tsy hahatafandrimandry
Angataho ny Fanahy
Hitarika sy hitahy.
Na dia maro ‘reo tsy tia
Tsy hihemotra ny dia
Fa handroso hatrany hatrany
Mandra-piala eto an-tany.
Lova tsara kanto loatra
No efa miandry any an-koatra
Ho sambatra ianao
Handao izao fiainana izao.
A/C : RALAINIRINA Valitera