RY MAHANTRA

Ny any aminay

RY MAHANTRA


Ry mahantra ry mahantra
Ry mifikitra amin‘ny tany
Aza dia sodoka loatra
Fa mamitaka Izy ireny


Moa ny zavatra ny tany
Tsy natao hamerovero
Kanjo aiza no hiafarany
Any ambadiky ny vero
Alahelo sy tomany
lzany sisa no fiafarany


Andradrao ny masonao
Ka ny lanitra banjino
llay mpamorona derao
Ka ny marina fihino


Ao ny Tompo no mijery
lzay miseho ety an-tany
Tsy ny marina irery
No havotany aamin’izany
Fa izay rehetra ory koa
Sy mivavaka aao am-po


Tonony sy feony: RAKOTOARISOA


·