Ry Iarivoko
Fangia Kalo Gasy
Ry Iarivoko
Misoko mora anie,
Tsy hay tohaina ho’aho ny tsiaro anao ry Iarivoko!
Ny erinerin’i Manjakamiadana e
Tarafin-danitra madio sy manga,
Toa iry manangasanga!
Na dia tsy hita hotazanina
dia mbola tena mahamanina
Ny hanadino anao: Tsy ho vitako,
Na lavitra aza ianao, tsy hitako.
O ry Iarivo, tena mamiko e
Miorina aminao ny akaniko!
Mamoha tsiahy anie
ka mampanembona misaina anao ry Iarivoko!
Ny fidadasik’i Betsimitatatra
Toa hosodoko soa natao-Nahary
ka azo an-tsaina ho sary!
Na dia tsy hita hotazanina
dia mbola tena mahamanina
Ny hanadino anao: Tsy ho vitako,
Na lavitra aza ianao, tsy hitako.
O ry Iarivoko, ry akaniko e!
Mifangia ianao sy ny amiko!
Tonony sy feo: Ny R. Fidimanantsoa