RY FOKO O!

Vetson'ny Fanantenana Bemasoandro

RY FOKO O!



  1. Ry foko ô mangina ka mitonia
    Eny fa na dia mafy ny ady ety
    Henoy ny feon’i Tompo Ray ’lay be fitia
    Manolotra anao ny Tanany


Ekeko fa masika ‘reo ‘zay tsy tia
Mikendry handavo sy hanakodia
Jesôsy anie miantso anao hoe avia
Aza matahotra fa matokia


REF:
Isaorako Anao ry Tompo tia
Izao fisedrana tena mahamay izao
Fa raha toa ka tsy nandalo izao aho
Dia tsy nahatsapa izany Herinao


Ka indro hatsangako ny tanako izao
Izaho tsy hivadika Aminao
Na misy ady mafy sady sarotra
Hanompo Anao tsy hiady varotra aho


2)Ry foko ô, mba aok’izay ny tomany
Fa fitsapana mandalo ihany
Izany no fiainana ety an-tany
Kanefa aza kivikivy izany


Fa na dia maizin-kitroka aza ny andronao
Tsy maintsy ho tonga ny maraina vao
Ka n’inona n’inona zava-mitranga
Io lanitra io tsy maintsy ho manga


REF:
Isaorako Anao ry Tompo tia
Izao fisedrana tena mahamay izao
Fa raha toa ka tsy nandalo izao aho
Dia tsy nahatsapâ izany Herinao


Ka indro atsangako ny tanako izao
Izaho tsy hivadika Aminao
Na misy ady mafy sady sarotra
Hanompo Anao tsy hiady varotra aho


A/C: Ny Aingafito
By Sandy RANDRIANAIVO


·