RY FIANGONANA Ô!

Ampifafi

RY FIANGONANA Ô!


1-Ry fiangonana ô! manatrika eto anio
Mihainoa re! ny feon’i Jeso Tompo
Mihainoa re! ka mamalia re fa
Ny Tompo no manatona


2-Ry Ray aman-dReny ô! sy ireo mpiantoka
Ary ireo zaza nataonareo tso-drano
Sekoly alahady, sampana tanora
Moa efa mpandray va izy ireo?


3-Raha mbola zaza ianao, na tanora koa
Na efa antitra aza,dia vita fanekana
Mitandrema ianao, fa sao mamitaka
Fa ny Tompo, tsy mamitaka


ref:Ry fiangonana ô! moa tsaroanareo va?
Ny fanekenareo teo ambony alitara
Dia ny nanaovana tso-drano anareo
Izay teo ambony alitara Masina
Dia ny namalianareo ny Tompo hoe: ENY
Moa tanteraka va?


·