Rotoroto

None

Rotoroto


Izay rehetra miana, miaina eto an-tany
Samy mahalala any anatiny any
Fa mandalo ihany


Izay rehetra hita, azo henoina sy tsapaina
Samy misy fiandohana, misy fiafarana
Fa sambatra izay mahay miaina tsara
Ny fandalovany


Oh ry foko, moramora ihany
Amin’ity rotoroto tsisy fiafarany
Mba hiadananao rampitso
dia ataonao sorona ny androany
Nefa anie ny androany ampitson’ny omaly
Oh ry foko, oh ry foko
Rahoviana izany ianao vao hiaina?


Ny fiainanao omaly, rano raraka
Fiainanao androany manenjin-drivotra
Ny fiainanao rampitso tsy misy antoka
Raha tsy hay ny antony hisiana


Oh ry foko, moramora ihany
Amin’ity rotoroto tsisy fiafarany
Mba hiadananao rampitso
dia ataonao sorona ny androany
Nefa anie ny androany ampitson’ny omaly
Oh ry foko, oh ry foko
Rahoviana izany ianao vao hiaina?


Izao ve ilay tianao
Raha jerenao ny fiananao
Sambatra ve ianao?
Sao dia miazakazaka hivelan’ny kianja ianao
Any amin’izay tsy mivonto no manaintaina aminao


Oh ry foko oh ry foko
Ilay loharano tsara mila fantatra


Oh ry foko, moramora ihany
Amin’ity rotoroto tsisy fiafarany
Mba hiadananao rampitso
dia ataonao sorona ny androany
Nefa anie ny androany ampitson’ny omaly
– (x2) –
Oh ry foko, oh ry foko
Rahoviana izany ianao vao hiaina?


·