ROSO TOKOA

Ny any aminay

ROSO TOKOA


Roso tokoa izany dia
hamonjy ilay tany niaviana
Toa sarotra sy manavia o
Kanefa tsy maintsy hiafiana


Any e ! any no any aminay
Eny e ! tsy ho adinoiko mandrakizay o
Any ilay niandohana ho’aho,
ary mbola hiafarana


Ity tany filan-dravinahitra
Ilaozako mbola tamana
Ka na inona tendry sy lahatra
Hody aho hamonjy tanàna


Any e ! any no any aminay
Eny e ! tsy ho adinoiko mandrakizay o
Any ilay niandohana ho’aho,
ary mbola hiafarana


Aty aho singany irery
Ny sento no saro-bahana
Indrisy toa olona very o
Ka hody aho hamonjy tanàna


Any e ! any no any aminay
Eny e ! tsy ho adinoiko mandrakizay o
Any ilay niaviana
Ary mbola hodiana


Tonony sy feony : RAKOTOARISOA


·