Revo ny Tanindrazana
Chorale Taratr'i Maria
Revo ny Tanindrazana
Asa re fa toa marobe
reo sedra mafy nolalovana
Mangasihasy Ramalagasy zary Firenena,
Firenena mampahonenaaa
Revo ny tanindrazana
Revo mihavery hasina
tsy misy afa-bela izahay
samy miseho ho mahay
Zanahary o, sokafy masom- panahy
Nafoinao sy nomenao
reo harena sarobidy sesehena
nefa indrisy rava tsy nisy
nanjavona, nanjavona sy levona
Ny fihavanana, nariana
‘Reo fahendrena soan’ny razana
tsy tahotra tsy henatra
fa dia sahy, sahy mamono mahafaty
Zanahary o, ‘meo mpitondra hendry zahay