Revin-gadra

Johasina

Revin-gadra


Maro ireo maniry ny ho namanao
Ny hatsaranao mametsovetso
Babo ireo izay sendra mahita
Mampientanentana ny fo sy ny fanahy


Nandre aho f’efa lasan’olon-kafa ianao
Tsy haiko raha marina izany fa na!!!!
Fa Na izany aza dia hanofy hatrany hatrany
Ny handray fitiavana sy orokorokao


Fiv:
Mandrampiandry zay itodihanao
Dia hihira sy hivetso ny fahatsaranao
Vitsy dia vitsy ireo izay tahaka anao
Bika aman-toetra, sy feo milantolanto
OOO revin-gadra ihany izany
Angano angano arirarira
Efa lasa ilay anjely
Nikopak’elatra, mamirapiratra eny


Fiv:


·