Resy tsy miady

Andrianary Ratianarivo

Resy tsy miady


Ny resy tsy miady
tsy mba fomba zalahy
Aza mba kivy
fa aoka ho sahy.
Ny fitiavana afenina
ao anatin’ny tratra;
hareza mivelatra,
ka mety handratra


Ny fanambadiana
dia lambolamboina
Ts’inona akory
fa fandrin-tsamoina.
Aza kobonina;
fa aoka hiseho
Joro mba ho lahy;
fa aza resy toreo.


Ny bika mijoro ô ! ô !
ny endrika tsara
Ireny no atao hoe:
Harena voazara !
Raha hevitra tsy azo
D’indreto izahay
Na zovy hisakana;
dia laninay.


Jokoy ny domoina
raha mila hidify;
ny vodin-tsobika aza
manan-tandrify !
Anao re ny baiko
Ratovoniriana !
Fa vonona lava
‘reto sakaiza tiana.


Feony sy tonony: Andrianary Ratianarivo


·