Resy lahatra

KTLM Tsanta Fitoriana Ambohimena

Resy lahatra


Resy lahatra izahay Jesosy ô
NOho ny fitiavanao anay
Fa ny fankahalana tato anatinay
nanehoanao fitiavana
Fahoriana maro be
Niaretanao Jesô
Mba ahafahanao maneho
Ny fitiavanao anay


Fantatray ankehitriny
Ry Jesosy Tompo ô
Ny fitiavanao anay ka resy lahatra izahay


Fahoriana, fijaliana
Fanesoana , fandatsana
niaretanao daholo, mba ho famonjena anay


Novoniona Ianao Jesosy
Noho ny ratsy vitanay
ka, vitanao ny famonjenanay ka resy lahatra izahay


·