Renao ve?

Feon'Kalvary

Renao ve?

Renao ve ny Tompo mandom-baravarana, miangavy aminao
Maniry ny hiara-mitoetra aminao anio, ka vohay ny fonao
Aza mangatak’andro hiandry ampitso lava fa atolory Azy
Ny momba anao rehetra fa tsy hanenenanao amin’ny andronao rehetra ho avy

Ny otanao ario, ny ratsy re mba fadio
Ialao dieny izao
Reo adalana taloha ilaozy fa tsy mahasoa
Ndrao hahavery anao
Ilay Tompo no efa niantso anao anio, henoy ny feony ka raiso Izy

Te hitantana anao, hiara-dalana koa
Hamaha ireo fatorana mangeja, manjoa
Miankina ianao eo an-tratrany
Azo antoka ny fiainanao any am-parany

Renao ve ny Tompo mandom-baravarana, miangavy aminao
Maniry ny hiara-mitoetra aminao anio, ka vohay ny fonao
Aza mangatak’andro hiandry ampitso lava fa atolory Azy
Ny momba anao rehetra fa tsy hanenenanao amin’ny andronao rehetra ho avy

Ny Tompo anie tia anao, eo foana Izy fa tsy mandao
Tsy mba manary fa ianao no nania, naditra sy naniasia
Tsy nahatsiaro Azy

Ilay Tompo no efa niantso anao anio, henoy ny feony ka raiso Izy x2

·