Reko ny antson'ny tompo

Joseph Dylan Parkinson

Reko ny antson’ny tompo


1-Reko ny antson’ny tompo,mitaona ahy hibebaka mba ho any an-danitra
Feo mitalaho miantso mafy mba hiverina ao am-bala ny zanak’adala


    Nitaraina mafy ,nitomany an-.dranomaso,naheno nijaly,nisotro ny mangidy

Ny zioga zakaina,mihatra amin'ny Aina,niaretanao izany,noho ny amiko ihany
Izao dieny izao aho hamaly ny antsonao,ka manombok'izao aho hanaraka anao

2-tena mamy ny fitiavanao ahy,tena feno tambitamby ahasarika ahy
Voababon’ny hankaton’ny fahatsoranao,miavaka amin’izay hitako ianao


     Niantsoantso  mafy,eran'ny vaza-tany,mba hitady ahy ,hamonjy ny fanahy

Tsy reraka ny ady,niady izay mba ho ahy,tsy nahalala fay,nitabataba ho ahy

Izao dieny izao aho hamaly ny antsonao,ka manomboka izao aho hanaraka anao


Ref1:misaotra e,misaotra anao
Misaotra e,misaotra anao
Misaotra e


Ouh,ouh,ouh


3-inty aho raiso,fitaovana ho anao
Hamoa be ao an-dapanao


     Hanefa ilay voady,hanaja anao hatrany


,hitàna ny dina,nifanaovantsika
Ka ataoko fady ny omaly fa ny hoavy,hiarahana amin-dRay ,no masahana amizay


Ouh ouh ouh yeh yeh


·