Reko ny antso
CTLI (Chorale Taratry ny Lanitra Isoavinandriana mananara)
Reko ny antso
1/He tonga ny ora sy fotoana izay handaozako ilay fiainako taloha namoizako Anao
Ka indro aho fa manoina izany antsonao Ry Ray ,
inty ny tenako maloto mba sasao.
Reko ny antso sy ny feonao Ry Tompo ka indro aho manolotena mba hanompo
Raiso aho manolo tànana aminao,amin’ny fo madio sy vaovao
Mino aho fa tsy ho lavinao ny faniriako dia ny ho Anao mandrakizay Ry Tompo tiako
2/Afoiko avokoa ny fahazaran-dratsiko tety
Afoiko noho ny fitiavako Anao
Fa babonao ny foko Ry Jeso malala be fitia
Ampio aho hahay hifikitra Aminao